Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-19

4 fa izy kosa nandroso làlana indray andro tany an'efitra; ary nony mby tany izy, nipetraka teo ambanin'ny kofafam-bohitra anankiray, dia nangataka ny ho faty, nanao hoe: Aoka izay! Alao amin'izao ny aiko, ry Iaveh ô, fa tsy tsara noho ny razako aho. 5 Dia nandry izy, ka natory teo ambanin'ilay kofafam-bohitra. Fa indro nisy anjely nanohina azy kosa, nanao taminy hoe: Miarena hianao, hihinana. 6 Nijery izy, ka indro tao amin'izay niondanany, nisy mofo nendasina tamin'ny vato nafanaina, sy rano iray tavoara; ary rahefa nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray. 7 Fa tonga fanindroany indray ilay anjelin'ny Tompo, nanohina azy, sy nanao taminy hoe: Miarena hianao hihinana fa lavitra loatra ho anao ny dia halehanao. 8 Dia niarina izy, nihinana sy nisotro, ary nandeha efapolo andro sy efapolo alina, tamin'ny hery azony tamin'izany hanina izany, ho any Horeba tendrombohitr'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1604